<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>D. Ranoason</author>
<title>Reko izao ry Tompo FFPM428</title>
<lyrics>[V1]
 Reko izao, ry Tompo,
 Izany antsonao
 Miantso izany mpanompo
 Mba ho irakao !
 Inty ! inty !
 inty aho Jeso !
 Inty ! inty !
 iraho aho Jeso !
 Ekeko re,
 ny ho miaramilanao
 Ho vonona hanao
 ny sitrakao,
 Ka iraho !

[V2]
 O ! diovy Tompo
 izany molotro !
 Ka ny fo madio hanompo
 no atolotro.
 Inty ! inty ! ...sns.

[V3]
 Tsy handeha irery,
 Fa hiaraka Aminao,
 Ka dia mba omeo ny hery
 sy Fanahinao.
 Inty ! inty ! ...sns.

[V4]
 Reko izao ny toky hoe :
 &quot; Momba ahy Hianao,
 Ry Jesosy Tompo
 sy Zoky
 Vonona aho &quot; izao.
 Inty ! inty ! ...sns.</lyrics>
<hymn_number>428</hymn_number>
</song>